|
|
|
|

Entry1  Hofa sandrin' ny lanitra
Elementary words  2 hofa, 3 sandry, 4 lanitra
Part of speech  5  name (poem title) [Full list]
Vocabulary  6  Literature: poems
Author  7 Rajaofera Fredy
Full text  8 
9  Ny vovoka, ahintsano. Akipaho ny nofo,
10  Avereno fa indrana, lamba mora miofo.
11  Inty ny akanjo fotsy. Ary inty ny kapa,
12  Avia, modia, ry oloko, midira aty an-dapa!

13  Ny tany nilasiana: tetezana mpamitaka,
14  Mampita fa mamefika . Loza mampibitaka .
15  Aty no azo antoka, tsy misy rebireby,
16  Avia modia, ry oloko, aza mba someby !

17  Zava-tsoan'ny tany, ankosotra mangirana,
18  Indray mitopy maso mandavo an-kodimirana,
19  Aty no tsy mba miova, aty no volamena,
20  Avia modia, ry oloko, tomoera ka monena!

21  Vokatra ao an-tsompitra, hasasara-maina,
22  Am-baravaram-pasana tsy mahatana ny aina;
23  Aty no fitoazana ..., fararano lava,
24  Avia modia, ry oloko, hijinja ny ambim-bava .

25  Ny zanakao afoizo. Ny vadinao ilaozy;
26  Aty andrasana izy, ny fiainanao havaozy.
27  Avelao ny havana voa lefona maranitra,
28  Avia modia, ry oloko, mila anao ny lanitra !

29  Ialao ny gidragidra , ny loza sy ny ankaso,
30  Aty ny Paradisa, tsy misy ranomaso,
31  Ho inonao ny tany, mpamingana mandady,
32  Avia modia, ry oloko, ry oloko afaka ady!

33  Faharesena an-tany no lalan-tora-tady
34  Diavin'ny mpandresy hamonjy lokan'ady ,
35  An-koatry ny hita maso, hitohy ny voatahy:
36  Avia modia, ry oloko, an-dapan'ny Fanahy!

Updated on 2025/11/17